Eo ambanin'ny fifehezan’ny CES sy RUP, ny Homme d’Entretien dia manana andraikitra toy ireto manaraka ireto:
Miantoka ny fahadiovan'ny toerana manontolo ao amin'ny ivon-toerana;
Miantoka ny fikarakarana sy fanamboarana ny fananan'ny ivon-toerana rehetra (zavatra fanaka sy fotodrafitr'asa) sy
Miantoka ny asa rehetra ilaina ho an'ny tontolo iainana salama sy azo antoka.
Missions
Fahadiovan'ny toerana manontolo/ny saha:
Efitrano fianarana sy ireo trano/fotodrafitr'asa hafa ampiasain'ny mpianatra (miara-miasa amin'ny mpampianatra tompon'andraikitra sy ny mpianatra mandritra ny andro fianarana)
Birao sy ireo fotodrafitr'asa hafa ampiasain'ny mpiasa
Ireo ivelan'ny efitrano fianarana sy birao : tokotany, lalantsara, lalana...
Fikarakarana sy fanamboarana:
Fikarakarana sy fanamboarana ny fanaka, ny fitaovana, ary ny fotodrafitr'asa
Fikarakarana sy fanamboarana ny rafitra herinaratra, ny rafitra fantsona, ary ny asa vita amin'ny vato
Fikojakojana zaridaina sy asa hafa mety hahatonga ny tontolo iainana ho salama sy azo antoka
Fanarahana, fangatahana, sy vaovao:
Miantoka ny fanisana ny fananana ao amin'ny ivon-toerana
Manolotra amin'ny tompon'andraikitra ny filàna vokatra, fitaovana, fitaovam-piasana, sy kojakoja ilaina amin'ny fikarakarana, fanamboarana, ary fanadiovana
Manolotra amin'ny tompon'andraikitra ny filàna fanamboarana na fikarakarana izay mitaky fandraisana anjaran'ny mpanome serivisy hafa
Manao fanarahana sy mandefa vaovao momba ny fanana sy fotodrafitr'asa ao amin'ny ivon-toerana (toetry ny fananana, fahavitan-javatra, fiovana toerana, fiovan'ny tompon'ny fananana, fiovan'ny toerana...)
Ireo taratasy ilaina:
–CV sy sary vaovao,
–Taratasy milaza ny fahavononanao sy ny antony nisafidiananao ny asa miaraka amin’ny mari-karama ilainao (lettre de motivation et prétentions salariales),
–Dika mitovy ary voamarina ny mari-pahaizana (copies légalisées des diplômes)
–Taratasy fanamarinana ny asa efa nataonao talohan’ny nidiranao tato amin’ny Fikambanana raha toa ka efa nisy iazany sy ny laharana finday ahafahana miantso anao maika (attestations des précédents emplois et numéro de téléphone pour contact rapide),
–Kara-mpanondro (Copie CIN)